<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Mamy ny fitianao,
 Ry Jehovah Tomponay!
 Foinao ny Zanakao,
 Ho Mpanavotra anay.
 Tsy mba misy tokinay
 Afatsy ny Zanakao.
 Ka misaotra Anao izahay
 Noho ny fitianao.

[V2]
 Mamy ny fitianao,
 Mahafaly fo tokoa;
 Izahay avelanao
 Mba hibebaka avokoa.
 Lasa lavitra izahay,
 Nefa notadiavinao;
 Efa ratsy izahay,
 Nefa tsy nafoinao.

[V3]
 Mamy ny fitianao,
 Izay andraisanao anay
 HOnina ao an-dapanao
 Raha ho faty izahay
 Noho ny rastsy izay natao,
 Loza no anjaranay,
 Nefa namboaranao
 Paradisa izahay.

[V4]
 Mamy re, ry Tomponay!
 Izao fitianao izao,
 Ka indreto izahay
 Avy mba hisaotra Anao.
 Raiso re izao saotra izao,
 Fa fanati-tsitrapo;
 Tsy mba mendrika ho Anao,
 Nefa vokatry ny fo.</lyrics>
<title>Mamy ny fitianao FFPM4</title>
<hymn_number>4</hymn_number>
<author>W.B. Gilbert</author>
</song>